Créer un site internet

Alahamady

FANAZAVANA AVY @ ZANADRANAVALONA MOMBA NY ALAHAMADY

FANAZAVANA AVY @ ZANADRANAVALONA
MOMBA NY ALAHAMADY

 

Nanomboka t@ nanjakan’ny Mpanjaka RALAMBO (1575-1610) no tena voafaritra tsara ny andro, ny Volana ary ny Taona Malagasy ; ka ny Mpanjaka sady mpanandro lehibe HABIB no namaritra ny volana sy ny taona tamin’izany.

Nofaritany tamin’izany andro izany fa miisa 12 ny volana teo @ Malagasy, ka ny Volana voalohany dia nataony hoe : ALAHAMADY ary ny volana farany @ taona dia ny ALOHOTSY (Mijereva alimanaka), sahala andry zareo tandrefana hoe JANOARY ny voalohany ary DESAMBRA ny Volana farany. TEO @ Malagasy NY TAONA VAOVAO izany dia ny andro VOALOHANY @ Volana ALAHAMADY.

Teo amin’ny fanisana andro Malagasy, Ny andro ao anatin’ny volana iray dia manaraka ny fihodin’ny Volana @ tany, ka 28 andro raha kely indrindra, ary 29 andro sy tapany raha be indrindra . Koa noho izany dia vitsy kokoa ny isan’ny andro @ taona Malagasy (354 andro) miohatra @ andro andry zareo tandrefana, manaraka ny alimanaka Gregorianina sy ny fiodin’ny masoandro @ tany (365 andro). Noho izany dia miovaova ny taona vaovaon’ny Malagasy raha mihoatra @ taonan’ny Tandrefana Gregorianina, satria dia misy elanelany 11 ANDRO ( na 10 andro) eo amin’ireo fanisan-taona ireo.

Tamin’ny taona 2011 izao dia tamin’ny 29 Aogositra ny Taona vaovao. Ny taona 2012 dia 18 Aogositra ny andro voalohany @ taona, ARY AMIN’ITY TAONA 2013 ITY DIA NY ALAKAMISY 8 AOGOSITRA no andro voalohany @ taona: TAOMBAOVAO, fa tsy ny 12 Martsa, izay ALAKARABO akory.Ny Taombaovao amin’ny Malagasy dia mifototra ara-tantara. Nanomboka tamin’ny fanjakan’ny Mpanjaka RALAMBO izany. I Habib izay silamo, sady mpanolotsaina ny mpanjaka no mpanandro mahay, dia nampifandray ny Taona vaovao Malagasy amin’ny fiafaran’ny “Fifadiana” eo amindry zareo (RAMADANY), ka ny andro ampitson’io Ramadany farany io no nankalazaina ny TAONA VAOAVAO dia ny ALAHAMADY izany, ka niaraka nanao FETY sy niara-niravoravo ny Malagasy sy ny Silamo. Ho porofon’izany dia Nekena teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra fa natao andro tsy hiasan’ny Silamo ny andro 08 Aogositra 2013 izay lazaina hoe : IDY LEHIBE (EID-UL-FITR), ampitson’ny Ramadany ; ary io andro 08 Aogositra 2013 io ihany koa no andro voalohany amin’ny taona Malagasy: TAOMBAOVAO MALAGASY. Isika dia mahalala fa ny tantara tsy azo kosehina na ovaina, fa tsy maintsy lovan’ny taranaka faramandimby, koa tsy misalasala izahay mamerina fa ny Alakamisy 08 Aogositra no andro voalohany amin’ny Taona Malagasy. Koa sady andro voalohany amin’ny herinandro ny Alakamisy no andro voalohany amin’ny taona. Ary amin’ny herintaona dia ny 28 Jolay 2014 ny Taombaovao, amin’ny 2015 dia ny 17 Jolay, snsisa…, fa anesorana 11 andro dia ahazahoana ny taona vaovao amin’ny taona manaraka.

Io fomba fanisana andro nampianarin’I HABIB, izay Arabo io, dia efa niainan’ny Malagasy nandritran’ny 400 TAONA mahery, ary izay zavatra rehetra naorin’ireo Mpanjaka nifandimby teto Imerina dia ahitana marika momba izany avokoa, ohatra ao amin’ny Fiangonana Anatirova, ny Lapan’Andafiavartra izay naorina tamin’ny 19 Adijady 1872 (19 Septembre 1872) . Raha io no tohizina dia toy izao :

Ny Adijady dia mitondra andro 3, dia avy eo ny Adalo (andro 2) dia manaraka azy ny Alohotsy (andro 2) dia avy eo dia ny andro voalohany amin’ny taona dia ny Alahamady izany. Koa noho izany dia 7 (3 + 2 +2) andro aorian’ny Adijady DIA NY 26 SEPTEMBRE NO TAONA VAOVAO TAMIN’NY TAONA 1872. (Tsy volana martsa mihitsy).Ny mahagaga, dia tao anatin’ny 5 na 6 taona izay dia nipoitra tampoka teo anivon’ny serasera, ary novoizin’ny olona sasatsasany fa ny taombavaovao Malagasy dia izay tsinambolana ao @ Volana Martsa ao, ka tamin’ny taona 2011 dia ny 5 Martsa, ny taona 2012 dia ny 23 Martsa, ary @ ity taona 2013 ity dia ny 12 Martsa.

Aoka anefa ho fantantsika fa ny Mpandalina ny fomba amampanao Malagasy rehetra dia mahalala fa ny fotoana hiodinan’ny Volana @ tany no isaina fa tsy ny fotoana hiodin’ny Masoandro @ tany, tahaky ny an’ireo tandrefana. Iza moa no tsy mahalala fa fiandohan’ny lohataona (na Printemps) any @ lafintany andrefana ny 12 Martsa 2013 hoavy izao. Fetindry zareo Tandrefana io 12 Martsa io fa tsy ho taombaovao Malagasy mihintsy, ary amin’io 12 Martsa io dia hiova ho adiny iray (1 ora) indray ny elanelan’ny ora eo amin’ny Lafrantsa sy Madagasikara, izay 2 ora amin’izao fotoana izao. ( hoy ny dictionnaire frantsay : PRINTEMPS= la première des quatre saisons) .

Raha ny tantara no zohiana dia vao tonga ny mpanjanatany dia io Fanisan’andro io no nopotehiny voalohany indrindra, ary ny didy navoaka t@ izany dia ny hoe tsy azo ankalazaina intsony izany Alahamady (Taombaovao) izany fa ny Voalohan’ny volana Janoary ihany no taombaovao. NY FANDROANA koa dia navoaka didy t@ 05 Mars 1897 ka nafindra amin’ny 14 Jolay (Arrété du 05 Mars 1897: remplaçant la fête du Bain par la fête du 14 Juillet : Traité de la Justice Indigène à Madagascar, Edition 1932). Na nisy aza izany fandraràna nataon’ny mpanjanaka izany dia NANOHY NY FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO hatrany ny ZANADRANAVALONA ANOSIMANJAKA, ary mbola tsy nisy na dia taona iray aza tsy nankalazàna izany, ary efa ho 438 taona izao no nakalazainay sy ny razanay an’izany andro lehibe izany.

Marihina etoana fa ny Mpanjaka rehetra nisesy teto Madagasikara (Imerina) dia io Taombaovao ataonay io no nataon’ireo Mpanjaka, afa-tsy RANAVALONA fahatelo, izay nasain’ny Mpitondra fivavahana kristianina nanova izany ho @ andro nahaterahany dia ny 22 Novembre izany.
Aoka tsy ho voafitaka isika Malagasy, fa tsy misy izany ALAHAMADIBE izany ao @ fanisan’andro Malagasy, fa ny volana voalohany @ taona dia ny ALAHAMADY.

Koa samia ary isika mandinika sy mamakafaka, fa ny tonon’andro, hoy ny ntaolo, tsy maha lehilahy, ka aza maniratsira izay nataon’ny razana.

RAVELONARIVO Alain
Filohan’ny ZANADRANAVALONA

  • 15 votes. Moyenne 2.9 sur 5.