Créer un site internet

Sata Fikambanana Zanadranavalona Anosimanjaka

SATA MIFEHY NY FIKAMBANANA ZANADRANAVALONA ANOSIMANJAKA

SAVARANONANDO

 

Efa 46 taona izao no nisin’ny fitsipika ara-panjakana mifehy ny FIKAMBANANA ZANADRANAVALONA SY NY MPIRAY FILEOVANA AMINY. Fankasitrahana sy fisaorana lehibe no atolotra ireo RAY AMANDRENY tamin’izany fotoana izany, namolavola iny fitsipika iny, Andriamanitry ny fiadanana anie haneo fitiavana azy ireo.

Tonga izao ny fotoana hanaovana fanitsiana sy fanamboarana ity fitsipika ity, mba hifanaraka amin’ny toetr’andro ankehitriny, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 4.

Ny hampivondronana sy ho fampiraisana ary mba hifankatiavan’ny taranak’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA manerana an’I Madagasikara, eny fa na dia ireo any ampitan-dranomasina aza no tanjona amin’izao fanitsiana , sy fanamboarana izao.

Ireto avy ireo Andriana na fikambanana nanolotra sosokevitra hanavaozana ity SATA ity:

  • RASAHIVELO Rakoto

  • RAZAFINAVALONA Léon Robert

  • RAKOTONDRANORO Modeste

  • RASOANAIVO David

  • Fianakaviana RAVONJISON Jean Gualbert

  • Ny Tanora Zanadranavalona Anosimanjaka

Fa ireto kosa ireo Andriana tao amin’ny Kaomisionina namolavola ity SATA Ity:

  • RAZAFINAVALONA Léon Robert

  • RAKOTONDRANORO Modeste

  • RAKOTOSON Herman

  • Ny Mpikambana ao amin’ny Fikambanana ZANADRANAVALONA ANOSIMANJAKA dia manaiky sy manambara fa :

TOKO I

ENDRINY – ANARANY – FOIBE TOERNA – FEPOTOANA – TANJONA

ENDRINYA

Andininy voalohany: Niforona araky ny lalàna hitsivolana laharana faha 60-133 tamin’ny 03 Oktobra 1960 (J.O.R.M tamin’ny 15 oktobra 1960, pejy 2090) ny FIKAMBANANA “ZANADRANAVALONA ANOSIMNJAKA SY NY MPIRAY FILEOVANA AMINY”, ka voasoratra tao amin’ny gazeti-mpanjakana laharana faha 176, tamin’ny 15 Jolay 1961, pejy 682.

ANARANY

Andininy 2: Manomboka izao, ny Anaran’ny Fikambanana dia antsoina hoe:”FIKAMBANANA ZANADRANAVALONA ANOSIMANJAKA”.

FOIBE TOERANA

Andininy 3:  Ny fiova toerana dia ao ANOSIMANJAKA, Kaominina Ambihitrimanjaka, kianjan’I RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA, Renibeny.

FEPOTOANA

Andininy 4: Tsy ferana ny faharetan’ny Fikambanana

TANJONA

Andininy 5: Amin’ireo nanorona ny Fikambanana sy amin’izay rehetra manaiky ity fitsipika ity; izay mifehy ny efa nisy hatramin’ny fahagola hifanaraka amin’ny didy ankehitriny, dia Loharano nipoiran’ny mpikambana rehetra I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA, zanaka Faravavin’ny Mpanjaka ANDRIAMASINAVALONA avy tamin’ireo Zazavavindrano tao Alasora. Ary antony sy antoky ny manaja Azy sy ireo toerana misy Azy.

Andininy 6: Ny fototra hijoroan’ny Fikambanana dia ny fampivondronana sy ny fampiraisana ny taranak’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA avy ao ANOSIMANJAKA, tany nipoirana, izay manerana ani’ Madagasikara sy ny any ampitan-dranomasina. Hampiroborobo ny fifankatiavana amin’ny taranaka, hiara-midodododo na an-kafaliana na amin’ny fahoriana. Mitana ny fombandrazana amin’izay tsy hita izay maharatsy azy, mandalina ary mampahafantatra ny tantara sy izany fomban-drazana izany amin’ny taranaka rehetra mifandimby. Hatsangana eran’ny vazan-tany efatra ny Fikambanana ka ny Komity Mpitantana no mifehy azy ireo.

Andininy 7: Ny Fikambanana dia tsy manao politika, na manohana antoko politika sy antokom-pinoana. Tsy sakanana kosa anefa ny mpikambana tsirairay amin’izay firehana ara-politika na ara-pinoana tiany harahana, nefa tsy ataony hanelingelina ny fikambanana izany.

TOKO II

NY MPIKAMBANA – NY KOMITY PITANTANA – NY KOMITIN’NY OLOKENDRY

LAHARANA I

NY MPIKAMBANA

Filatsahana – Zo sy adidy – Fanesorana – Fialana

Andininy 8: Ny Taranak’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA avy ao Anosimanjaka tamin’ireo zanany SIVY MIANADAHY, n’aiza n’aiza toerana honenany, dia manana ZO hirotsaka ho mpikambana ao amin’ity “Fikambanana Zanadranavalona Anosimanjaka”. Porofoiny amin’ny alalan’ny tetiarana ny filatsahany ho mpikambana.

Andininy 9:  Ireto ny Vohitra misy sy nonenan’ireo Zanak’I Nenibe sy ny Taranany: Anosimanjaka, Fiakarana

Avaratra, Andriantany, Ambohidratrimo, Namehana, Fenoarivo.

Andininy 10: Ny tena mpikambana dia ireo izay voafaritra ao amin’ny andininy faha 8 eo ambony ka nirotsaka ho mpikambana sy nahaloa ny sarapilatsahana, izay ho ferana any amin’ny Fitsipika anatiny.

Andininy 11: Ny vadina Zanadranavalona ka mahaloa ny sara-pilatsahana dia Mpikambana feno avy hatrany. Ny Fisaraham-panambadiana ihany no mahavery ZO maha mpikambana. Hany ka raha misy fahafatesan’ny vadiny dia mbola mpikambana feno hatrany izy, na dia mbola hanambady olonkafa aza izy any aoriana.

Kanefa raha manambady indray izy dia tsy azo raisina ho Mpikambana mihitsy ny vadiny vaovao izay tsy taranak’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA.

ZO SY ADIDY

Andininy 12: Ny maha mpikambana dia miteraka ZO sy Adidy

Andininy 13: Ny mpikambana tsirairay dia manana Zo:

  • Hanatrika ny fivoriambe. Hifidy ary haneho ny heviny

  • Hirotsaka ao amin’ny sehatr’asa misy ao amin’ny Fikambanana

  • Amin’ny asa sosialy isankarazany, na fifaliana, na fahoriana.

  •  

Andininy 14: Ny mpikambana tsirairay dia manana Adidiy:

  • Handoa LATSAKEMBOKA

  • Amin’ny fanajariana sy fitandrovana ny TOERANA misy an’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA

  • Amin’ny fitandrovana ny fombandrazana sy ny fanomanana ary ny fikarakarana ny Alahamady.

  • Amin’ny asa sosialy isan-karazany.

  • FANESORANA

Andininy 15: Ny Fivoriambe ihany no manapaka ny fanesorana ny mpikambana iray, rehefa avy nihaino ny fitoriana natolotry ny Komity Mpitantana amin’ny tsy fanajana ankitsirano sy matetika ny sata, ary koa rehefa avy nihaino ny fiarovan-tenan’ilay voapanga.

FIALANA

Andininy 16: Mahazo mametra-pialana ny mpikambana iray, kanefa kosa voarotsaka tao amin’ny Fikambanana dia tsy azony takiana ho averina aminy.

LAHARANA II

NY LOMITY MPITANTANA (NA NY BIRAO)

Rafitra – Fepetra – Fifidianana – Andraikitra – Fepotoana – Fialana – Fanesorana

RAFITRA

Andininy 17: Amporisihina ireto Mpikambana monina amin’ireo Vohitra nonenan’ireo Zanak’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA sy ny taranany (Fiakarana avaratra, Andriantany, Ambohidratrimo, Namehana, Fenoarivo) sy izay toerana misy ny Tarank’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA mba hanangana ny sampan Zanandranavalona any amin’ny Tanana misy azy ireo avy.

Andininy 18: Ireo filohan’ny Sampana mitsangana aradalana sy ny Filohan’ny Tanora Zanadranavalona dia Mpikambana feno ao amin’ny Komity Mpitantana.

Andininy 19: Toy izao ny firafitry ny Komity Mpitantana:

  1. Filoha

  2. Filoha Lefitra Voalohany

  3. Filoha Lefitra Faharoa

  4. Mpitambola

  5. Mpitantsoratra Voalohany

  6. Mpitantsoratra Faharoa

  7. Mpanolotsaina miisa (8) valo (ka ao anatin’izany ny Filohan’ny Sampana sy ny Filohan’ny Tanora)

  8. FEPETRA

Andininy 20: Amin’ny ankapobeany, ny Komity Mpitantana dia olona

  • Voasoratra ao amin’ny Lisitry ny Mpikambana

  • Mahaloa ara-dalana ny latsakemboka

  • Feno 21 taona katroka raha kely indrindra

  • Tsara fitondrantena

  • Andininy 21: Hoan’ny Filoha sy ireo Filoha lefitra, ankoatr’ireo izay voalaza ao amin’ny andininy faha 16 dia olona:

  • Feno 40 taona raha kely  indrindra amin’ny fotona fametrahana ny filatsahana

  • Taranaka nipoitra avy amin’ny Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA

  • Tsy manana firehana politika

  • FIFIDIANANA

Andininy 22: Mba hisian’ny fiarahamiasa mavitrika sy firaisantsaina dia ny Filoha irery ihany no Fidiana amin’ny alalan’ny latsabatso miafina mivantana ataon’ny Mpikambana rehetra feno 18 taona amin’ny andron’ny fifidianana, manditra ny fivoriambe.

Andininy 23: Raha tsy misy mahazo ny antsasa-manila ny vato manankery ny mpilatsaka dia averina eo no ho eo ny fifidianana, ka ny roa nahazo vato ambony indrindra no mifaninana. Ary izay mahazo ny salan’isa ambony no lany.

Andininy 24: Kaomisionina manokana ahitana olona Dimy (5) farafahakeliny no misahana ny Fifidianana, ka ny Komitin’ny Olokendry no manendry ny mpikambana ao aminy.

Andininy 25: Ny Kaomisionina Misahana ny Fifidianana dia tsy maintsy ahitana mpikambana mipetraka ao Antananarivo, avy ao Anosimanjaka sy ireo avy amin’ny sampan ary solotenan’ny Tanora. Ny zokiny indrindra amin’izy ireo no filohan’ny Kaomisionina.

Andininy 26: Valopolo (80) andro mialoha ny andro fifidianana no hatsangana ny Kaomisionina misahana ny Fifidianana.

Andininy 27: Ny Komity Mpitantana no manondro ny daty hanaovana ny fifidianana, ary zato (100) andro alohan’ny andron’ny fifidianana no andraisany izany fanapahana izany.

Ny datin’ny fifidianana raiketina dia farafahatarany 15 andro alohan’ny daty hataperan’ny fepotoana hiasan’ny Komity mpitantana.

Andininy 28: Izay rehetra manana fanirihana hilatsaka dia mametraka ny antonta-taratasy filatsahana 45 andro alohan’ny andro fifidianana.

Raha dila izay fepotoana izay dia tsy azo raisina intsony ny filatsahany.

Andininy 29: Ireto ny anton-taratasy ilaina amin’ny filatsahana

  1. Taratasy faniriana hilatsaka

  2. Taratasy milazalaza ny mikasika ireo mpilatsaka (C.V: tetiarana, fiaviana… sns …)

  3. Kopian’ny Karatra fanaovana adidy sy latsakemboka

  4. Andininy 30: Amin’ny andron’ny Fifidianana dia Biletà tokana no hatao, ary ahitana ny anaran’ireo Kandida, ka nalahatra arakara-jokiny.

Andininy 31: Ny Filoha izay lany eo no mifidy ireo mpiara miasa aminy, izay voafaritra ao amin’ny andininy faha 19 etsy ambony.

FEPOTOANA

Andininy 32: Ny fepotoana hiasan’ny Komity Mpitantana dia EFATRA (04) taona.

Andininy 33: Ferana ho fepotoana indrona misesy ihany no ahazoan’ny Mpikambana iray mitana ny toeran’ny Filoha.

Andininy 34: Ny Mpikambana hafa kosa dia tsy misy fepetra manokana

ANDRAIKITRA

Andininy 35: NY KOMITY MPITANTANA (BIRAO), tarihin’ny Filoha no mitondra sy mitantana ny Fikambanana.

Andininy 36: Mpantanteraka ny Fanapahana norain’ny Fivoriambe ny Komity Mpitantana

Andininy 37: Ny Komity Mpitantana no mamolavola ny hevitra rehetra hampiroboroana ny Fikambanana sy hitadiavam-bola hoentina hanatanterahina ny andraikitra rehetra sahaniny.

Andininy 38: Mandrapaha-tonga ny Fivoriambe manaraka dia afaka manapaka hevitra amin’ny zavatra rehetra ny Komity Mpitantana, afa-tsy izay liana ny Fankatoavana manokana avy amin’ny fivoriambe.

Andininy 39: Mandritra ny fanapahankevitra eo anivon’ny Komity Mpitantana dia ny hevitry ny Filoha, na izay misolo tena azy no manandanja raha toa ka misy fitoviana.

Andininy 40: Ny Komity Mpitantana no tompon’Andraikitra voalohany amin’ny Fitantanana, fikojakojana, fanajariana, fampanajana ny toerana rehetra misy an’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA (Tranomanara, Kianja…). Izy no mamolavola ny Fitsipika anaty izay haroso eo amin’ny fivoriambe. Isan-taona ny Komity Mpitantana dia manao tatitra eo anatrehan’ny Fivoriambe.

Andininy 41: NY FILOHA dia tompon’andraikitra eo anolon’ny Fivoriambe amin’ny Fampandehanana ny Fikambanana.

Andininy 42: Ny Filoha no misolotena ny Fikambanana Zanadranavalona Anosimanjaka amin’ny sehatra rehetra isian’ny fifandraisana. Noho izany tsy misy mahazo mitondra na miteny amin’ny anaran’ny Fikambanana afa-tsy ny Filoha irery ihany, ankoatr’ireo Komity Mpitantana izay nomeny fahefana.

Andininy 43: Ny FIloha no manana ny fahefana hampamoaka vola amin’ny fampandehanana sy fitantanana hoan’ny tombotsoan’ny Fikambanana, kanefa tsy maintsy maka ny hevitry ny Komity izy ary manaraka izay tapaka tamin’izany. Raha misy anefa ny Hamehana dia afaka manapakevitra ny Filoha sy ny Filoha lefitra iray.

Andininy 44: Ny Filoha dia afaka manome fahefana an’ireo Komity Mpitantana amin’ny zavatra na antony  voafaritra, afa tsy ny famoahambola irery ihany.

Andininy 45: Ny Filoha no manana zo hampiantso ny Fivoriambe rehetra

Andininy 46: Ny FILOHA LEFITRA dia manampy sy manotrona ny Filoha amin’ny fitantanana ny Fikambanana. Azon’ny Filoha omena andraikitra manokana izy ireo arak’izay hitany fa mahamety izany.

Andininy 47: Ny Filoha lefitra voalohany no misolo toerana ny Filoha amin’ny raharaha rehetra raha toa misy antony tsy hahafahan’ny Filoha.

Andininy 48: Raha misy ny Hamehana, ka tsy eo antoerana, na tsy tratr’antso ny Filoha, dia ny Filoha lefitra voalohany no mandray ny andraikitra rehetra, rehefa avy nifampidinika tamin’ny Komity Mpitantana, raha mbola azo atao.

Andininy 49: Raha tra-pahafatesana ny Filoha dia ny Filoha lefitra voalohany no mitana ny toeran’ny Filoha mandra-pahatapitry ny fepotoana iasan’ny Komity Mpitantana. Raha misy tsy fahafahan’ny Filoha Lefitra voalohany mandritry ny fotoana maharitra, na tra-pahafatesana ihany koa izy dia hatao ny Fifidianana Filoha vaovao, arak’izay voalaza ao amin’ireo andininy faha 22 sy ny manaraka.

Andininy 50: Mandra-pifidy ny Filoha vaovao hitantana ny Fikambanana dia ny Filoha lefitra faha 2 no miandraikitra ny fitantanana ny fikambanana.

Andininy 51: NY MPITAMBOLA no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny volan’ny Fikambanana. Tsy maintsy mandalo eo anatrehany avokoa ny vola rehetra miditra sy mivoaka, ary voamarina amin’ny alalan’ny rosia izany rehetra izany.

Andininy 52: Mitazona Bokimbola ny Mpitambola, ary azo aseho amin’ny fotoana rehetra liana izany. Ny vola rehetra an’ny Fikambanana dia apetraka any amin’ny Banky.

Andininy 53: Ny famoahambola amin’ny seky dia tsy maintsy ahitana sonian’ny roa amin’ireto Komity Mpitantana ireto: Ny filoha, ny filoha lefitra ary ny mpitambola. Kanefa ny sonian’ny Mpitambola no tsy maintsy hita eo amin’ny ravin-tseky.

Andininy 54: NY MPITANTSORATRA VOALOHANY no mandray antsoratra ny hevitra tapaka rehetra misy ny fivoriana na eo anivon’ny Komity Mpitantana izany, na rehefa Fivoriambe

Izy no mitahiry ny taratasy rehetra mikasika ny Fikambanana (Tatitra, Lisitry ny Mpikambana, rezisitry ny Fianakaviana sns…) Noho izany izy no tomponandraikitra amin’ny arisivan’ny Fikambanana.

Anjarany ny mandefa ny fampilazana sy ny fiantsoana rehetra amin’ny Mpikambana, ka azo ampiasaina avokoa ny Haino aman-jery rehetra.

Andininy 55: Ny teny Malagasy no teny hifandraisana, kanefa azo ampiasaina koa ny teny Frantsay sy ny Anglisy raha toa ka ilaina izany.

Andininy 56: NY MPITANTSORATRA FAHAROA dia manampy ny mpitantsoratra voalohany amin’ireo asa rehetra voalaza etsy ambony ireo.

Azo atao koa anefa ny mifampizara ireo andraikitra amin’ireo Mpitantsoratra roa ireo.

Andininy 57: NY MPANOLOTSAINA dia manana andraikitra amin’ny fitondrana sy fanoroana ny hevitra tsara rehetra hanasoavana sy hanatsarana ny Fikambanana.

Andininy 58: Azon’ny Filoha atao koa ny manome andraikitra manokana ny Mpanolotsaina tsirairay avy.

FIALANA

Andininy 59: Ny fialana tsy ho komity Mpitantana dia tsy maintsy misy antony mazava sy maripototra.

FANESORANA

Andininy 60: Zon’ny Filoha izay nanendry azy no manala tsy ho isan’ny Komity Mpitantana ny Mpikambana iray, raha toa ka misy antony kehibe tsy azo leferinta intsony.

Andininy 61: Tsy maintsy misy antony mazava vao azo esorina tsy filoha intsony ny Mpitantana iray.

Andininy 62: Ireto avy no anisan’ny antony azo anesorana ny Filoha:

  1. Nanodikodim-bola voamarina

  2. Tsy fanajana mibaribary ny sata

  3. Nanalabaraka ampahibemaso ny Fikambanana

  4. Andininy 63: Ny fanesorana ny Filoha amin’ny toerany dia ny Fivoriambe no manapaka izany, ka ny 2/3 ny mpikambana tonga mivory no mandany izany, rehefa vita ny fifandaharana, satria mananjo hiaro tena ny Filoha.

LAHARANA III

NY KOMITIN’NY OLOKENDRY

Ny Andraikitra – Ny Mpikambana – Ny Fanendrena

NY ANDRAIKITRA

Andininy 64:  Ny Komitin’ny Olokendry dia vovonana fakan-kevitra amin’ny raharahara rehetra mahakasika ny Fikambanana. Fankan-kevitra fotsiny ihany izy fa tsy manapaka na mandidy akory.

Andininy 65: Ny Komitin’ny Olokendry dia hatsangana mba handamina ny mety ho savorovoro eo anivon’ny Komity Mpitantana. Anjarany ny manelanelana sy mampihavana ny mpifanandrina.

Andininy 66: Rehefa afa-nenina amin’ny fandaminana ny Komitin’ny Olokendry, satria tsy hita ny marimaritra iraisana, na tsy nahitana vahaolana, dia hoentin’izy ireo eo anatrehana ny Fivoriambe ny raharaha mba hanapahana hevitra. Fivoriambe tsy arapotoana no tanterahana, ka izy ireo no tomponandraikitra amin’izany, ary ny zokiolona indrindra no mitarika ny fivoriana.

NY MPIKAMBANA

Andininy 67: Ny Mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Olokendry dia nofidiana tamin’ireo Mpikambana Raiamandreny feno 55 taona raha kely indrindra ka fito (7) no isan’izy ireo.

NY FANENDRENA

Andininy 68: Mandritran’ny Fivoriambe no hisafidianana azy ireo.

TOKO III

NY FIVORIAMBE

Ny Fahefany – Ny Karazany

Andininy 69: Ny fivoriambe di fihaonan’ny Mpikambana rehetra amin’ny toerana iray, mba handinika lohahevitra maro ka hanapaka hevitra.

NY FAHEFANY

Andininy 70: Ny FIVORIAMBE no fahefana faratampony eo amin’ny fanapahana ny fitantanana ny Fikambanana

NY KARAZANY

Andininy 71: Misy karazany roa ny Fivoriambe, dia ny Fivoriambe Mahazatra sy ny Fivoriambe tsy ara potoana.

Andininy 72: Ny Fivoriambe Mahazatra dia hatao indroa isan-taona

Ny Fivoriambe voalohany dia tanterahana ao anatin’ny telo volana voalohany araky ny taona Gregorianina, ka hanaovan’ny Komity Mpitantana tatitra mahakasika ny Fikambanana sy hilazany ny faharan’asany mandritra ny taona.

Ny Fivoriambe Faharoa dia hatao farafahatarany 60 andro ao aorianan’ny fankalazana ny Alahamady mba hanaovana ny tatitra sy jeritodika ny zava-bita sy ny Alahamady, ary mba hanatsarana izany hatrany.

Andininy 73: Ireo fivoriana roa ireo dia azo andraisana fanapahana hafa mahakasika ny Fikambanana na ny mpikambana ary voasoratra anisan’ireo lohahevitra ao amin’ny fandaharam-pivoriana.

Andininy 74: Ny Fivoriambe tsy arapotoana dia azo tanterahana raha misy liana izany noho ny maha maika ny raharaha, ka ny filohan’ny fikambanana rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Komity Mpitantana no afaka mampiantso azy.

Andininy 75: Ankoatry ny fiantsoana ataon’ny Komitin’ny Olokendry dia ny Filohan’ny Fikambanana no mananjo hampiantso Fivoriambe. Izy Rahateo no mitarika ny fivoriana. Izy ihany koa no mitandro ny filaminana, ka azony atao ny mandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany.

Andidiny 76: Ao Anosimanjaka no toerana hanaovana ny Fivoriambe kanefa azo atao ao Antananarivo na amin’ny tdininy 76oeran-kafa koa izany raha misy antony lehibe sy zavatra kendrena.

 Andininy 77: Ny hevitra tapahana dia tsy manankery raha tsy feno antasa-manila ny Mpikambana no tonga mivory.

Nohon’ny hamehana anefa dia manankery ny fanapahana lanin’izay tonga nivroy eon a tsy nahazo ny antsasa-manila aza, kanefa tsy maintsy lazaina mialoha amin’ny fiantsoana Fivoriambe ny fisian’ny hamehana.

Andininy 78: Raha misy fanapahankevitra ka mifandanja ny vato dia  izay safidin’ny Filoha no arahina.

TOKO IV

NY SOATOAVINA – NY VAKOKA – NY FANANANA

Andininy 79: Amin’ny maha an’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA loharano nipoirina dia ZO SY ADIDY hoan’ny TARANANY, ZANANDRANAVALONA ANOSIMANJAKA no mitandro tahaka ny anakandriamaso ny toerana misy azy, dia ny TRANOMANARA sy ny zava masina rehetra ao anatiny ary ny kianja.

Andininy 80: Ny Komity Mpitantana no tomponandraikitra voalohany amin’ny fitantanana fikojakojana, fampanajana ireo toerana ireo. Izy no mamolavola fitsipi-pifehezana izay eken’ny Mpikamabana rehetra, rehefa nolanian’ny Fivoriambe ary nampahafantarina sy hampiarina amin’ny olon-kafa rehetra tsy ankanavaka.

Andininy 81: Amin’ny maha masina ny toerana misy an’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA dia soratana eo amin’ny Tranomanara ireo FADY rehetra mahakasika AZY.

Andininy 82: Ny fidirana ao amin’ny Tranomanara dia voatokana hoan’ny Tarank’I Nenibe RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA sy ny Mpikambana Zanandranavalona Anosimanjaka mba ho fitandrovana izany toerana izany.

TOKO V

FEPETRA SAMIHAFA

Andininy 83: Tsy azo ravana ny Fikambanana na inona na inona antony, fa izay mijanona ao anatin’ny fikambanana no manohy ny asa

Andininy 84: Raha misy antony lehibe tsy ahafahan’ny Komity Mpitantana manantanteraka ny asany dia Komitin’ny Olokendry no mitantana ny Fikambanana ary mampanao ny Fifidianan ny Filoha vaovao ao anatin’ny 90 andro.

Andininy 85: Raha tiana hasiana fanitsiana ity sata ity dia tsy maintsy aroso eo amin’ny Fivoriambe ka ny antsasamanila ny vato manankery no mandany azy.

Andininy 86: Ny volavolampanitsiana ny sata dia manankery avy hatrany amin’ny andro nandaniana azy.

TOKO VI

FEPETRA TETEZAMITA

Andininy 87: Ny Komity Mpitantana amperinasa ankehitriny izay tarihin’ny Andriana RAKOTO Clark mandra-pifidy ny filoha vaovao no mitantana ny Fikambanana.

Andininy 88: Ny Fifidianana ny ho Filohan’ny Fikambanana dia ho tanterahina amin’ny Alahady faha 27 Janoary 2008, manomboka amin’ny roa (02) ora eny Anosimanjaka.

Andininy 89: Ny Kaomisionina namolavola ity sata ihany (Ny Andriana RAZAFINAVALONA Léon Robert, RAKOTONDRANORO Modeste, RAKOTOSON Herman) no ho Kaomisionina hiandraikitra sy hanatanteraka ny fanaovana ny Lisitry ny  Mpifidy sy hikarakara ny Fifidianana rehetra.

Andininy  90: Izay rehetra manana fanirina hisahana izany andraikitra izany dia hiangaviana hametraka ny taratasy filatsahany farafahatarany ny Alatsinainy 07 Janoary 2008 hatramin’ny 12ora atoandro ao amin’ireto Mpikambana ao amin’ny Kaomisionina ireto:

  1. Ny ao antananarvio dia ao amin’ny Andriana RAZAFINAVALONA Léon Robert lot A 252 E Andavamamba Anatihazo I Antananarivo sy ny Andriana RAKOTONDRANORO Modeste Lot SIB E 21 Analakely Antananarivo (Salon de thé Exquis).

  2. Ny ao Anosimanjaka dia ao amin’ny Andriana RAKOTOSON Herman

  3. Andininy 91: Hisy fanavaozana ny lisi-pifidianana ka hatramin’ny Zoma 18 janoary 2008 no hanoratana sy handraisana ny  anaran’ireo Zanadranavalona feno 18 taona.

Raha toa ka nisy tsy tratr’antso na tsy naheno mihitsy dia azo soratana ao amin’ny lisitra fanampiny ihany izy amin’ny andron’ny fifidianana, kanefa tsy maintsy hamarinin’ny olona roa Zanadranavalona fanta-bahoaka.

Azon’izy ireo hatao koa kanefa ny miantso olona hafa hanatevin-daharana azy ireo.

Andininy 92: Rehefa lany ity volavolampanitsiana ny Sata ity dia tsy manankery intsony ireo fepetra tetezamita ireo.

Anosimanjaka faha 23 Desambra 2007

 

  • 11 votes. Moyenne 3 sur 5.